Natiora, poeta sahy

Publié le 7 août 2023 à 08:38

Nigadona teny Ivato io maraina io ny fiaramanidina nitondra ireo nisolo tena an'i Madagasikara tamin'ny lalaon'ny firenena mampiasa sy miteny ny teny frantsay ka anisany i Natiora, poeta, mpanoratra nandray anjara teo amin'ny literatiora, sokajy sombintantara.

Miezaka manasongadina ny poeta malagasy ny tranonkala Poetawebs.

Nanomana sy mitapatapakahihtra miaraka aminy i Tsikimilamina Rakotomavo avy ao amin'ny tranonkala Poetawebs.

Tsikimilamina Rakotomavo
Miarahaba anao tonga soa eto amin'ny Tapatapakahitry ny Poetawebs.

Natiora
Miarahaba anao Tsikimilamina Rakotomavo ary misaotra anao amin'izao tafa mivantana izao.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Hono ho'aho Natiora, inona no antony nisafidiananao ny solon'arana hoe Natiora sy ny hevitra fonosiny?

 

Natiora
Tsy naka lavitra aho fa ny vavahadin'ny anarako ihany no noraisiko. Ny anarana matetika no mamaritra betsaka ny toetry ny olona sy ny fiziany, dia tahaka izay koa ny solon'anarana amin'ny asasoratra: mitondra ny rivo-tsoratra afafinao. Ny aingam-panahiko avy amin'ny natiora tsotra izao, izany hoe avy amin'ny toetry ny zavamisy aman-tontolo, ary averina hanomezan-kasina sy anabeazana ny zavaboary, ary amin'ny alalan'ny olombelona.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Inona avy ireo sokajin'asasoratra voizinao?

Natiora
Manoratra tononkalo, angano, tantara fihaino, sombintantara, tantara foronina aho.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Tena manoratra mihitsy ianao izany araka ireo voalazanao ireo. Inona avy àry ireo boky efa nivoaka?

Natiora
Namoaka boky amboaran-tononkalo KIRA AN-KIRA tamin'ny 2011 aho, nanoratra tao amin'ny boky FARARANO 1 an'ny FMMS ny 2014, ary tamin'ny fihibohana 2020, namoaka amboaran-tononkalo ALAALAN'ELO, sy amboaran-tsombitantara MIOTY SOA.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Efa fantatra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena koa i Natiora. Inona avy ireo efa sehatra nirotsahana tamin'izany?

Natiora
Nisy fifaninanana tantara fihaino (radio Drama) nampanaovin'ny BBC world service tamin'ny 2018, dia nadikako tamin'ny teny anglisy ny tantara Zaza Navela, efa nalefako tamin'ny radio Madagasikara sy ACEEM. Tsy hoe fantatra hatraiza amin'ny sehatra iraisam-pirenena fa efa namaky lay ary tsy menatra mitsangana miohatra amin'ny mpanao zavakanto vita amin'ny teny vahiny (Anglisy sy Frantsay). Ny sehatra "francophonie" koa no efa nanaovana asasoratra matetika, sy niaraha-niasa.

 

Fizahan-takila ahitana ny lohatenin'ny sombintantara

Tsikimilamina Rakotomavo
Niatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena teo anivon'ny firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay ianao. Azonao ambara fohy ve ny votoatiny?

 

Natiora
Sombintantara no sokajy nifaninanana tamin'iny lalaon'ny firenena miteny sy mampiasa teny frantsay andiany faha-sivy iny. Nalalaka ny lohahevitra. Olona mpisehatra amin'ny fanontam-boky sy literatiora avy amin'ny firenena samihafa no nitsara ny sombintantaranay 18 mianadahy tonga sy afaka niatrika ny lalao tany Kinshasa. Ankoatra ny fitsarana ny lahatsoratra dia tsaraina amin'ny famakiana sy fanomezana aina ny tantara koa ny mpanoratra tsirairay.
Nanana 20 minitra ny mpandray anjara tsirairay hamakiana ny ampahany amin'ny lahatsorany.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Nanao ahoana ny tokin'aina teo am-piatrehana izany ?

Natiora
Tsy maintsy akarina amin'ny fiomanana sy fanomanana tsara ny tokin'aina. Manaraka alfabeta araka ny anaran'ny firenena ny fisehoana an-tsehatra ka tombony ho an'i Madagasikara ny "M" fa tsy A sanatrian'izany. Misy firenen-dehibe maromaro efa mandray anjara talohako ka afaka nijery tsara ny ametrahana ny maha izy ny aingam-panahy natsakaina avy any ambanivohitra malagasy. Nisy zavatra tena hafa nomanina izay tsy nisy nanao ka mba hafa kokoa ilay fisehoana an-tsehatra miaraka amin'ny ankanaitra tampoka sy maso vao amin'ny mpitsara sy mpijery.

Ny zavatra tsikaritro rehefa entina milahatra amin'ny an'ny firenena hafa ny "zavakanto vokatry ny tanin'i Madagasikara" dia efa miavaka ho azy. Fa na dia izany aza, takina ny fahaiza-manao sy traikefan'ny olombelona mikatroka. Maro ireo tsy fahatomombanan'ny endri-pitsarana ka tsy nazava taminay mpifaninana. Ny zava-dehibe indrindra dia voarakitra anaty boky ny Sombintantara nifaninana rehetra.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Inona àry no tianao hampitaina amin'ireo Malagasy poeta namana hampandrosoana ny toe-tsaintsika malagasy?

Natiora
Ny poeta manana adidy miteny, anjara biriky amin'ny teny ary andraikitra amin'ny fanarenana sy famoronana fomba fiteny mampandroso ny mpiara-belona

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Mankasitraka anao Natiora namboraka ireo tsara ho fantatra mikasika ny soratrao. Mirary anao sy ny kantonao ho velo-maharitra eo amin'ny sehatry ny Literatiora

Natiora
Misaotra indrindra Tsikimilamina Rakotomavo nisahirana ho fampivelarana ny haisoratra toy izao. Mandra-pitafa.

Fonon'ny boky mirakitra ireo sombintantara rehetra noraisina

 

Ireo Malagasy notsenaina io maraina io. Tazana eo ambany amin'ny sisiny havia i Natiora

(Sary nindramina tamin'ny Dépèche Taratra)

Ajouter un commentaire

Commentaires

Heriarilala
il y a 9 mois

Manana i Madagasikara manana anao ry Natiora a ! Tohizo hatrany !

Narda
il y a 9 mois

Misaotra nampifanakaiky
ny anarako amin'ny fireneko!
Fa isika samy miaiky:
Tsy hoe akory izaho irery
Fa tanana havia sy havanana;
Manana ny Tanintsika
Manana anao mijery;
Manana ahy tsy mangatsiaka
fa mafana fientanana
Manana ny Malagasy
amin'ny hasiny isany avy.
Ary isika koa hanana
raha tsy misy mamosavy...
Enga hifanampy hatrany
Fa samy isika mianakavy e.