Poeta Ranarivelo Roel, nampamiratra rindrambolana

Publié le 16 août 2023 à 18:15

Poeta matselaka eo amin'ny fomba fanoratra ary nibata ny amboara tamin'ny fifaninanana loka Nirhy-Lanto 2023 andiany fahadimy no vahinin'ny Poetawebs tamin'ny alalan'i Tsikimilamina Rakotomavo. Asaina ianao hanjohy ny tafan'izy ireo tao amin'ny Efitrano David Jaomanoro.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Manantitra ny arahaba noho ny fahazoana laharana voalohany. Tena miaiky anao aho.

 

Ranarivelo Roel
Misaotra indrindra Tsikimilamina.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Nanao ahoana ny fihetseham-po tamin'ny fahazoana laharana voalohany?

Ranarivelo Roel
Misy ny fahafaham-po teo amin’ny fandraisana ny vokatry ny fifaninanana. Hafaliana ao anatin’ny adidy amin’ny maha mpanoratra nirahina ho amin’ny iraka tsara no niainako ny vokatry ny fifaninanana.

Tsy afeniko anefa fa nisy nanaingoka ihany tany anatiko tany. Ny antony? Nahatsapa aho fa nilatsaka dia nilatsaka ny ainga mamokatra tononkalo tao anatiko tao, tao anatin'ny fe-potoana napetraky ny fifaninanana. Betsaka ny antony. Tononkalo enina monja tamin’ireo tononkalo 68 mandrafitra ny amboaran-drindram-bolana SAHINDRA no vaovao voasoratro. Ireo tononkalo ambiny dia nosintonina tamin’ireo tahiry maro dia maro nosoratana fony mbola ankizy sy tanora, izany hoe naloatran’ny vanim-potoana lasa kanefa azo heverina ho azo trandrahina hifanandrify amin’izany. Heveriko kosa anefa fa tsara toerana ny lohahevitry ny fifaninanana teto, na dia isan’ireo tsy dia marisika loatra amin’ny fametrahana lohahevitra mialoha amin’ny fifaninanana aza aho. Izao mantsy:

Singany roa fototra maha firenena ny firenena ny Teny sy ny Tany. Ny mpanoratra dia mpikajy sy mpampitia ary mpampanerana ny hasin’ny Teny sy ny Tany ka akaiky dia akaiky azy ny lohahevitra "ho an’ny tanindrazana, ho an’ny tenindrazana".

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Azonao hazavaina ve ny hevitry ny lohateny SAHINDRA?

 

Ranarivelo Roel
Raha lazaina indraim-bava dia fiarahan’ny zavamaneno indray miredona andihizana ny "SAHINDRA". Notrandrahina ny fitaovana isan-karazany, samy manana ny akora sy ny endrika nanamboarana azy ; samy manana ny feony sy ny fitendrena azy. Nolavorariana ny fampiaraham-peo miavaka hamoaka lanto sy ngadona mirindra ao anaty fahasamihafana. Dia teraka avy tamin’ny feo ny hira. Niara-nirafitra tamin’ny hira ny teny izay nandrariana ny tonony.

Dia teraka avy tamin’ny teny ny soratra. Ary hetsika mivantana avy amin’ny fientanan’ny feo sy ny teny ny dihy, natosiky ny hafatry ny mpiangaly.

Ny hafatra?
Tsy fiaingana tamin’ny tsy misy akory ny teny sy ny soratra fa filoaran’izay antony nanetsika ny tontolon’olombelona, nateraky ny vanim-potoana sy ny tantara nivesatra rian-kevitra samihafa ary nampivohitra ny vaikan’ny fihetseham-po, ny hakanton’ny teny, ny fihasinkasin’ ny fiaina malagasy. Tsy fiaingana tamin’ny tsy misy akory ny tany sy ny soratra fa fitrebonan-kevitra hamoaka ny feo ao anatiny; tany vonton’ ny fanahy maha olona, saropiaro amin’ny satan-tany sy hasin-tanindrazana. Koa raha misy ny Sahindran’ny Zavamaneno, azo toronina koa ny Sahindran’ny Teny sy ny Tany.
Dia misy manaraka izany koa ny dihy samy manana ny anarany sy ny seho avoakany. Koa raha nisy ny SAHINDRA navoakan’ny Zavamaneno, omena toerana koa ny SAHINDRA narafitry ny Teny sy ny Tany.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Loka fahafiry tamin'ny fifaninanana rehetra nataonao ity azonao androany ity?

 

Ranarivelo Roel
Raha tsy diso ny fitadidiako dia loka fahafolo, esoriko tsy ho ao anatin’ny isa ny loka teo anivon’ny fiangonana.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Ho an'ny fifaninanana loka Nirhy-Lanto, impiry no nahazoanao ny loka?

 

Ranarivelo Roel
Indroa nandray anjara aho ary indroa nahazo loka : loka faharoa tamin’ny fifaninanana tantara foronina, Loka Nirhy-Lanto andiany fahefatra (2019), loka voalohany tamin’ny fifaninanana "amboaran-drindram-bolana" sady fankalazana ny faha-100 taonan’ny mpanoratra Nirhy-Lanto, andiany fahadimy.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Inona àry no tsiambaratelon'ny fahombiazana amin'ny fifaninanana tahaka izao?

 

Ranarivelo Roel
Sarotra ny mamaritra ny atao hoe fahombiazana amin’ny fifaninanana. Mety ho avy amin’ny tanjaky ny mpifaninana no mametraka azy ; matetika kosa anefa avy amin’ny vokatra atolotry ny mpanoratra. Tsiambaratelo? Mety ho fantatra, mety ho tsy ampoizina koa. Ireto antony roa ireto amiko no mitoetra: miezaka manakatra ny lafatra eo amin’ny kalitaon’ny asa vokarina; mikaroka lalan-kevitra sy endrika amam-pomba amoahana ny asasoratra tsy dia mahazatra. Fanamby io satria mety ho sahirana ny mpamaky am-boalohany kanefa manetsika filana vaovao ao anatiny ao ny fahitana fa "hafa" ilay asa.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Inona no heverinao fa tsy mampisongadina ny fifaninanana literera miohatra amin'ireo fifaninanana kanto hafa?

 

Ranarivelo Roel
Saika anjakan’ny hira ny taranja zavakanto; mety hanaraka azy eo ny karazan-dihy raha jerena amin’ny mason’ny sarambabem-bahoaka. Somary manokana ireo taranja hafa toy ny filatroana, haingo, hosodoko ka sarotra ny mampitaha azy amin’iretsy voalohany. Heveriko fa eo an-tenantenany eo no misy ny haisoratra ary izay no mamaritra ny hoe "mampisongadina na tsia ny fifaninanana literera". Ny fampitahana ny fifaninanana miohatra amin’ireo teo aloha, vanim-potoana hafa, no azo atao. Fantatra fa nanana ny toerany lehibe ny asasoratra tany alohan’ny 30 taona tany, nisy lenta avo araka izany ny fifaninanana sy ny vokatry ny fifaninanana. Taty aoriana, na dia eo aza ny hafanam-pon’ireo mpanoratra, dia mifintina kokoa ny mpianoka ny haisoratra; mikisaka ho fialam-boly aza no betsaka raha tarafina amin’ireo aranty amin’ny tambajotra sosialy. Lohahevitra lehibe ny fitrandrahana ny mety ho antony.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Inona no vahaolana hampiroboroboana ny tononkalo?

 

Ranarivelo Roel
Mila taninketsa ikolokoloana azy ireo mpanoratra vao misondrotra indrindra indrindra mba tsy hivilana ny fampiroboroboana ny tononkalo. Fantatra fa efa misy ireo fiofanana sy atrik’asa amam-pampianarana etsy sy eroa. Tena tsara ary ampaherezina izay manam-pahalalana sy izay manam-piniavana hivoatra. Ilaina koa anefa ny hametraka lalina kokoa ny fitiavana sy fampiatiana ny asasoratra ao amin'ny fandaharan’asam-panabeazana toy izay fahita taloha.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Ankasitrahako feno ianao Ranarivelo Roel nanaiky nitapatapakahitra teto amin'ny Poetawebs.

 

Ranarivelo Roel
Ianao Tsikimilamina Rakotomavo no tena isaorana mahatsiaro mandrakariva ny lanjan'ny haisoratra sy ny poeta tahaka izao.

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.