Randriamisetra, poeta marisika

Publié le 18 août 2023 à 14:38

Izahay eo anivon'ny Tranonkala Poetawebs dia faly hatrany manandratra ny poeta malagasy. Tovoharidera RANDRIAMISETRA, tovolahy mbola herotrerony sady avy lavitra no vahinin'i Tsikimilamina Rakotomavo eto amin'ny Tapatapakahitra.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Miarahaba anao tonga soa eto amin'ny efitry ny Tapatapakahitra an'ny Poetawebs.

 

Randriamisetra
Faly ihany koa aho miarahaba sy misaotra anao manasa ahy amin'ny fotoana tsy ampoizina tahaka izao.

Tsikimilamina Rakotomavo
Maro no te hahafantatra ny anaranao eo amin'ny sehatry ny Soratra ?

 

Randriamisetra
Nitondra ny anarana hoe Randriamisetra aho tamin'ny voalohany, dia Sarivazo (2013 - 2019) dia niverina Randriamisetra indray, io rahateo moa no anarako.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Teo amin'ny fahafiry taona ianao no nanomboka nanoratra?

 

Randriamisetra
6 taona aho no nanoratra poezia fanao any aminay rehefa noely ny andro, fiarahabana na sahala amin'izany.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Azonao ambara ve ireo karazan'ny asasoratra ataonao?

 

Randriamisetra
Maromaro ihany!

* Tononkalo (saika niompana tamin'ny tononkalom-pitiavana)
* Tononkalo miendrika tantara foronina
* Sombin-tantara
* Tantara filalao an'onjampeo
* Karazana kabary filalao an-tsehatra (tsy mikabary aho)
* Sombin-tantara

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Poeta anaty fikambanana ve Randriamisetra?

 

Randriamisetra
Faribolana Sandratra aho tamin'ny 2013, tsy afaka namonjy fivoriana sy hetsika mihitsy fa avy any ambanivohitra be sady nanahirana ny saran-dalana dia niala tsy ho mpikambana...
Havatsa Upem hatramin'ny 2022

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Nahazo laharana faharoa tamin'ny fifaninanana loka Nirhy-Lanto ianao. Inona no tsapanao fa nampiavaka ny asasoratrao?

Randriamisetra
Amin'ny mbola maha tanora ahy kokoa raha mitaha tamin'ireo mpifaninana tamiko dia ireto no zavatra tsapako:

- Tsotra daholo ny voambolana nampiasaiko, izany hoe voambolana fampiasa amin'ny fiainana andavan'andro daholo, tsy misy tena hoe ilaina rakibolana vao fantatra ny heviny.
- Tsotra tsy dia misy saro-takarina koa ny hevitra tiako hambara.
- Nirona tamin'ny tononkalon'ny vanim-potoana ankehitriny (ny zava-misy sy iainana ankehitriny mihitsy no nosoratana)
- Ny fanajana ny asa, fitiavana fianarana sy fanajana kolontsaina, ireo asasoratra avy amin'ireo no noheveriko fa mifanaraka amin'ny hoe "ho an'ny Tanindrazana, ho an'ny Tenindrazana".

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Mbola tanora tokoa ianao. Inona no heverinao fa sakana tsy mampandroso ny tononkalo malagasy?

 

Randriamisetra
Ireto no noheveriko fa sakana tsy mampandroso ny tononkalo malagasy:

- Malaina ny tanora mamaky boky (io no noheveriko ho fomba tsara indrindra hanatsarana ny fanoratana asasoratra, na inona io na inona)
- Tsy manana ny mampiavaka azy ny ankamaroan'ny mpanoratra. ohatra: avy namaky tononkalon'i Rado hoe "Hafatra" izy, nandona ny fony mihitsy ilay tononkalo, dia rehefa izy amin'izay no manoratra dia saika manodidina an'iny tononkalo iny daholo ny asasorany.
- Ny tsy fahafehezana ny teny malagasy, indrindra ny fanoratana, hany ka mampiasa teny tsy fantatra na teny vahiny mihitsy aza any anaty tononkalo.
- Ny fampiasana ny tambazotra toy facebook. Ny fampiasana ny "emoji" dia mahatonga ny ankamaroan'ny mpanoratra tsy mahay mampita fihetseham-po amin'ny alalan'ny teny intsony. Ankoatra izay, lasa fitaratra ny tononkalo ato amin'ny Facebook na tsara na ratsy, na dia tsy nandalo fanivanana aza.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Inona no vahaolana azonao aroso eo anatrehan'izany?

 

Randriamisetra
- Ny famakiana boky betsaka araka izay tratra (boky mihitsy fa tsy PDF) indrindra ny asasoratra nivoaka talohan'ny taona 2000.
- Famoronana no hatao, tokony tsy hanana eritreritra haka tahaka mihitsy, eny fa na ny tononkalo nosoratanao omaly aza tokony tsy halainao tahaka androany.
- Ny fiezahana hatrany amin'ny fifehezana teny malagasy.
- Tokony tsy hifantoka any anaty fitadiavana rima ny mpanoratra tononkalo fa mifantoka any anatin'ny hevitra tiana haseho.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Inona ny hafatrao ho an'ny poeta malagasy, indrindra ho an'ny tanora toa anao? Ho an'ny mpitondra fanjakana?

 

Randriamisetra

Ho an'ny Poeta malagasy

- Mamakia boky foana, izay boky tianao vakina, tianao ny asasoratr'i EDA, dia iny vakina, na ny an'i Rado dia izay vakina, na tantelin-jaza vaovao, dia izay vakina na haverinao im-polo aza. Fa aza mijery hoe, ity no tsara na ity... Fa sady hazoto hamaky foana ianao no misy fahalalana azonao foana amin'iny.
- Dia manorata foana koa, na dia zavatra heverinao fa tsy misy dikany aza. Fa raha mandinika ny asasoratrao tamin'ny folo taona lasa ianao, disoy aho raha tsy mahita fivoarana amin'iny ianao, mihomehy aza ianao hoe, ndry ry lasako.
- Manàna toe-tsaina mamorona, asehoy ny maha ianao anao any anaty soratra. Raha manoratra sombin-tantara ianao, ka tsy hainao loatra hoe inona no tokony hatao amin'izany fanoratana sombin-tantara izany, soraty foana fa na dia tsy sombin-tantara, tsy tononkalo, sy ny sisa aza iny, dia asasoratra, iny no maha ianao anao.

Ho an'ny fitondram-panjakana

- Maniry aho mba hotohanana hatrany ireo mpanoratra sy poeta satria sady miaramila mpiaro ny teny malagasy ireo no mpiaro ny kolontsaina.
- Maniry aho ny mba hisian'ny Rakibolana tena mampiseho ny fomba fanoratana mihitsy fa tsy fanazavana ny hevitry ny teny fotsiny. Satria anaty boky maromaro ohatra dia ahitana fomba fanoratana samy hafa hany ka sahirana ireo tsy mahalala fitsipika.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Mahaliana avokoa ireo tafa nifanaovantsika teto. Koa misaotra indrindra Randriamisetra.

 

Randriamisetra
Ianareo eto amin'ny tranonkala Poetawebs no tena ankasitrahako nandray ahy tamin'ny endrika misariaka.

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.