Pôetawebs - 14 taona

Publié le 30 avril 2023 à 13:43

Lahatsoratra : Toetra Ràja   

30/04/2009 - 30/04/2023
 Feno 14 taona anio ny tranonkala mpanandratra ny tontolon'ny pôeta malagasy. Misaotra anao mpanjohy, mpanentana, mpankasitraka izahay mpikambana. Indreto santionan-tsary vitsivitsy manamarika ny lalana nodiaviny tamin'ny fampielezana lahatsoratra, fanatontosana velakevitra sy sehatra ary ny fanontana boky.

 

PÔETAWEBS MISEHATRA

Tsy isalasalana fa manamarika ny tantaran'ny Pôetawebs ireo sehatra niantsorohany isaky ny alarobia fahatelon'ny volana tamin'ny taona 2021.

 

Pôetawebs misehatra nanandratana ny pôeta Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana (17/03/2021) sy Ratsimba Georges (15/09/2021)

 

Nanamarika ny Pôetawebs misehatra koa ny fandraisana anjara tamin'ny Tsenaben'ny boky tamin'ny Novambra 2021.

BOKY SORAPIAINANA

Mpamokatra sorapiainana pôeta ny Pôetawebs ary apariaka ao amin'ny tranonkalany izany. Ambonin'izay, atonta boky ihany koa ny vokatra. Eo amin'ny andiany fahatelo isika izao.

 

Misy hatrany ny hetsika fanolorana ireny boky ireny toy ny notanterahina tamin'ny 15 desambra 2021 ho an'ny Sorapiainana 2 sy Sorapiainana 3.

 

VELAKEVITRA

Fanaon'ny Pôetawebs ny misahana velakevitra ka anisany ny tao amin'ny Akademia (Dian'ny pôeta).

 

Ambony, fanolorana tao amin'ny Akademia ny boky Sorapiainana-1 (04/02/2021); ankavanana ny Sorapiainana-2 sy Sorapiainana-3 (02/02/2023)

Velakevitra 2 no notanterahin'ny Pôetawebs nandritra ny fikaonandoha iraisam-pirenena tao amin'ny ENS Ampefiloha ny 25 sy 26 Aogositra 2022.

LISITRA SORAPIAINANA

Ireto ny sorapiainana novokarin'ny Pôetawebs (fanisana tamin'ny 2022). Indro ny rohin'ny Sorapiainana ahitanao azy manontolo.

 

IREO NAMPIJORO NY PÔETAWEBS

Ny PÔETAWEBS dia tranonkala manandratra ny pôeta sy ny tononkalo malagasy, natsangan'i Toetra Ràja tamin’ny 2009 rehefa samy nanaiky izy sy ny namany Fredy Jaofera fa misy fahabangana tsapa eo amin'ny literatiora malagasy dia ny asa fandalinana sy ny fampiasana teny malagasy madio amin’izany.

Ny 30 Avrily 2009, "Aingam-panahy" no lahatsoratra voalohany napariakan'ny Pôetawebs ka i Fredy Jaofera no nanoratra azy. Nanampy tamin'ny famatsiana lahatsoratra koa ny pôeta namana toa an'i Hobiana (nanampy betsaka tokoa tamin'ny fanatontosana ny tapatapakahitra nifanaovana tamin'i Babity Laurent), Rado Ramaherison (Pôeta sa Pôety?), Zo-Maminirina (Tondro zotra), Hanitra Olive (Oroka tsy nahy)...

Nanamarika ny vitriky ny tranonkala koa ny fahatongavan'i Ikaloyna Vony, fantatra indrindra tamin'ny tatitra hetsika antsa tononkalo toy ny "Tiako izy", "Onja iray firitsoka".

Maro tokoa ireo namana nahavanona ny tranonkala. Singanina manokana eto ireo mpikambana ankehitriny izay manana ny teniny sy ny hetahetany amin'ity taona 2023 ity:

RAKITAKELAKA

Angalikanto, bokin'i Fanja Razah

Andro maneran-tany ho an'ny pôezia (21/03/2023)

Eo ankavanana, Ny boky? Fandalinan'i Heriarilala Andriamamonjy

Ajouter un commentaire

Commentaires

Felana Radoniaina
il y a 9 mois

Azo hanovozana tahirim-pahalalana ny vokatra vokarin'ny poetawebs. Mankasitraka indrindra amin'ny asa mafy eee!

Créez votre propre site internet avec Webador